1 Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana. 

2 Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy. 

3 Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin'ny vehivavy janga dia mandany harena. 

4 Ny rariny no ampandrian'ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby [Na: mampandoa harena.] no mandrava azy kosa. 

5 Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony. 

6 Misy fandrika amin'ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly. 

7 Ny marina mihevitra ny adin'ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena. 

8 Ny mpaniratsira mampihotakotaka [Na. mampirehitra.] ny tanna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana. 

9 Raha iadian'ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana 

10 Ny olona mpandatsa-dra mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy. [Na: Ary mitady ny ain'ny mahitsy.] 

11 Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo. 

12 Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra. 

13 Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory. [Na: mpampanna vola.] Jehovah no manazava ny mason'izy roa tonta. 

14 Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany. 

15 Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny. 

16 Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany. 

17 Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian'ny fanahinao. 

18 Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalna kosa izy, dia sambatra. 

19 Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny. [Heb. tsy misy valiny.] 

20 Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy. 

21 Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany. 

22 Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana. 

23 Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena. 

24 Izay miray tetika amin'ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza. 

25 Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an'i Jehovah no hovonjena. [Heb. hatao amin'ny avo.] 

26 Maro no mila sitraka amin'[Heb. mitady ny tavan'.] ny mpanapaka, Fa avy amin'i Jehovah ny fitsarana ny olona. 

27 Ny meloka dia fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary ny mahitsy llana dia mba fahavetavetana eo imason'ny ratsy fanahy kosa.
